Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 108 (Bela's Bible)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

108. Ny Baibolin'i Bela


Nampihozongozona ny fiaran'ilay Sikanòsy (olona mpifindrafindra monina) teny lalana teny ambanivohitra. Nihetsika tamin'ny lafiny rehetra ny ankizy.

Bela: "Papa a, te hiasa amin'ny mpamboly aho."

Ray: "Mora mankaleo anao izany…"

Reny: "Bela sy ny asa? Hevitra mampihomemy!"

Diso fanantenana tamin'ny ray aman-dreniny i Bela satria toa tsy mino azy hoe afaka miasa izy ireo. Tao amin'ny tanàna mifanakaiky, initsambika teo ivelan'ny fiara izy dia nitsaoka. l sauta hors de la voiture et s'enfuit.

Tonga teo amin'ny anoloan'ny toerana fambolena iray izy. Tiany ilay trano misy voninkazo eo amin'ny varavaran-kely.

(feo mandondona eo am-baravarana)

Mpamboly: "Manao ahoana. Iza ianao?"

Bela: "Bela no anarako ary te hiasa ato aminareo aho."

Mpamboly: "Tonga ara-potoana mihitsy ianao hanampy amin'ny fijinjana ovy! Kanefa mialoha izany, mila mihinana zavatra ianao. Avia, mandrosoa."

Ny fofona tao an-dakozia no nampahatsiaro an'i Bela fa noana be izy.

Mpamboly: "Mivavaka izahay mialohan'ny hihinanana: Ny fanomezana tsara indrindra sy izay rehetra anananay dia avy aminao, ry Andriamanitra o, misaotra anao izahay noho izany. Amena."

Ny mivavaka sy mamaky Baiboly dia tena zava-baovao ho an'i Bela.

Tena tiany anefa ny miaraka amin'ilay mpamboly sariaka. Eny fa na dia ny asa aza dia fahafinaretana ho azy, na dia narary azy aza ny lamosiny rehefa tonga ny fiafaran'ny andro. Nandalo ny herinandro.

(alika mivovo)

Bela: "Nero, inona no tadiavinao? Te hilalao baolina miaraka amiko ve ianao?"

Nero nanenjana ny sofiny ho any ivelany. Mihaino tsara ihany koa i Bela. (feon'ny lokanga)

Bela: "Nero, misy olona mitendry lokanga izany. Mety ho ny ray aman-dreniko izany. Mipetraka manolona ny afo izy ireo mitono sokina sady mihira. Tampoka teo dia nahatsiaro alahelo be aho. Azonao ve izany?"

Nijery tao an-dakozia i Bela, saingy tsy nisy olona tao. Nandray ny Baiboly izay teo ambony latabatra izy ary lasa nanjavona tao anaty alina.

Ray: "Bela, tonga eto ianao! Nitondra zavatra ho anay ve ianao?"

Bela: "Nitondra ity boky ity aho."

Reny: "Afaka mamaky i Grigor."

Grigor: "Eh, jereo anie, boky masina ity! Voamarika eto: Ny Testamenta Vaovao momba an'i Jesoa Kristy Tompo."

Reny: "Boky tsara iny. Mamakia teny ho anay."

Grigor: "Nisy lehilahy anakiray avy nanatona an'i Jesoa ka nanontany Azy hoe: inona no ataoko mba ho voavonjy aho? Jesoa namaly azy hoe: Tandremo ny didin'Andriamanitra. Aza mangalatra."

Ray: "Aza mangalatra?"

Nahatsiaro tena ho meloka ireto Sikanòsy (olona mpifindrafindra monina) ireto dia nifampijery, satria samy efa nangalatra zavatra daholo. Bela izao nangalatra ilay Baiboly. Kanefa iny alina iny ihany, dia lasa izy hamerina ny zavatra nangalariny.

Mpamboly: "Bela, Misy zavatra tsy nampoizina! Nalainao angaha ny Baibolinay? Aleo àry fa omeko anao iny."

Bela: "Tena marina ve, afaka tazoniko ilay izy?"

Nahatsiaro sambatra i Bela. Noho ilay Baiboly, ireo Sikanòsy dia nianatra nahafantatra an'i Jesoa sy natoky Azy.


Mpandray anjara: Mpitantara, Bela, ray, reny, Grigor, mpamboly

© Zon'ny mpamoroana: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on September 15, 2025, at 08:21 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)