STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 107 (Lame excuses) This page in: -- Albanian -- Arabic? -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
107. Fialan-tsiny tsy mitombinaDirk dia tena mpandeha any amin'ny trano famakiam-boky. Ireny Fables de La Fontaine, Victor Hugo, sy ny boky maro hafa, tena voavakiny daholo! Saingy misy boky iray manokana izay tsy tadiaviny ny mety nahaliana ao anatiny. Dirk: "Tsy natao ho ahy ny Baiboly." Ankizivavy: "Fa maninona moa?" Dirk: "Misy zavatra betsaka izay tena tsy azoko ao." Ankizivavy: "Fialàna fotsy izany. Azoko antoka fa hahatakatra zavatra ao ianao." Dirk: "Inona ohatra?" Ankizivavy: "Tahaka ny hoe tsy mahazo mangalatra ianao." Hay! Namely an'i Dirk toy ny zana-tsipika izany. Nivoaramena ny tarehiny dia niala teo avy hatrany izy. Mbola tsy henonao mihitsy ve fa ny Baiboly anie dia Bokin'ny boky? Ankizilahi: "Taorian'ny famoronana ny milina fanotàm-printy, ny Baiboly no boky voalohany natonta." Ankizivavy: "Voadika tamin'ny teny mihoatra ny 1600 ny Baiboly." Ankizilahi: "Ny Baiboly kely indrindra dia natonta tany Angletera ary amin'izay ny habehany dia tahaka ny boatin'afokasoka." Ankizivavy: "Ny Baiboly lehibe indrindra eto amin' izao tontolo izao dia vita tamin'ny hazo ary milanja mihoatra ny 1 taonina!" Ankizilahi: "Ny Baiboly no boky tian'ny olona indrindra, kanefa betsaka ihany koa ny mankahala azy io." Ankizivavy: "Andriamanitra no mpanoratra ny Baiboly, ary olona teo amin'ny 40 teo no nanoratra izay nambarany." Ankizilahi: "Izay mamaky ny Baiboly sy mino ny Teny dia tonga olom-baovao. Tsy misy boky na dia iray aza afaka manova olona tahaka izany." Ankizivavy: "Ahitàna litera telo tapitrisa ny Baiboly. Raha mamaky toko 4 isan'andro ianao, dia mahavita mamaky ny Baiboly ao anatin'ny herintaona." Ankizilahi: "Misy lehilahy tany Angletera efa nahavita namaky injato (100) ny Baiboly!" Nisy olona nahatsikaritra fa voatifitry ny balan'ny basy ny Baibolin'ny namana iray. Tsapany fa tena mampalahelo sy mahonena izany. Iza no sahy hanao ny Tenin'Andriamanitra amin'ny fanao ratsy tahaka izany. Tena tohina izy vokatr'izany. Toa naminavina ny eritreriny ilay namany, nanazava taminy izy: Lehilahy: "Faly èry aho fa misy lavaka ity Baiboly ity satria ity no nanavotra ny aiko. Nandritra ny ady, miaramila aho sady niady teny amin'ny laharana voalohany. Mandady ao anaty hady iray mankany amin' ny hafa izahay. Tampoka teo, nahatsapa ho voadona mafy aho ary nisy fanaintanana lalina tao amin'ny tratrako. Fa inona no nitranga? Nikendry sy nitifitra ahy tamin'ny bala iray ny fahavalo. Izaho anefa mametraka foana ny Baiboliko tao anaty paosiko aloha. Nampisy lavaka teo amin'ny Baiboliko ilay bala ary dia naratra kely fotsiny aho. Raha tsy teo ilay Baiboliko, mety tafatsofoka tao amin'ny foko ilay bala. Mamaky ny Baiboly isan'andro aho. Manao izany ihany koa ve ianao? Raha maniry hahazo Baiboly ianao, manoràta aty amiko. Ambaran'ny Baiboly fa: "Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalàko ny Teninao." (Salamo 119. 105) Io fahazavana io no manoro anao ny lalana mba tsy hahavery anao, fa mba hahitànao ilay lalàna mankany amin'Andriamanitra. Mpandray anjara: Mpitantara, Dirk, ankizivavy, ankizilahi, lehilahy © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |