Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 087 (I don't want to live any more)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

87. Tsy te hiaina intsony aho


Voaray daholo ny naoty tao an-tsekoly. Faly èry i Sandra. Toa tsy mahandry izay afahafahany mampiseho ireo naotiny tsara ireo amin'ny ray aman-dreniny izy. Hafa mihitsy ny an'i Kyle. Nampiriny tsikelikely ny kitapony tamin'ny fiarafaran'ny andro fianarana.

Ben: "O ry Kyle, ho avy eny amin'ny hantsana ve ianao hitangina bisikileta anio tolankandro?"

Kyle: "Tsia, tsy anio."

Ben: "Atsaharo ilay mitaredretra. Te hijanona handany alina aty am-pianarana angaha ianao?"

Kyle: "Mandeha tsy miaraka amiko, tsy te hody any an-trano aho... nahazo naoty ratsy aho tamin'ny kajy sy alemaina. Raha hitan'ny raiko io, hovonoiny ho faty aho! Aleoko mamono tena, tsy te ho velona intsony aho. Adala aho ary tsy misy olona tia adala izany."

Ben: "Atsaharo ny miteny zavatra tsy misy dikany toy izany. Tia anao be ny rainao, nividy fanomezana tsara tarehy ho anao izy."

Kyle: "Ny dadako ve? Ny tenany sy asany no tiany. Ny ambiny tsy misy dikany aminy."

Ben: "Ny raiko ihany koa anie tsy hoe lehilahy mahafianaritra e, tsy tena mahatsiakaritra ahy izy raha tsy efa manao zavatra ratsy aho. Sady mitrerona tahaka ny adala izy. Tena naharary ahy izany. Izaho ihany koa nandalo fotoana hoe tsy te ho velona intsony."

Kyle: "Ahoana no fahatsapanao ankehitriny?"

Ben: "Ankehitriny aho, mahafantatra hoe misy Jesoa. Tia ahy Izy, na dia tsy mahomby aza aho na koa lavo. Afaka mankeo Aminy foana aho, eny fa na dia ratsy naoty aza. Izy no namako ary na dia tsy hitako aza Izy, fantatro fa miaraka amiko foana Izy. Tsy voatery hoe matanjaka / mahery foana aho, afaka mitomany eo anatrehany aho. Mahatsara ahy izany."

Kyle: "Tsara kosa ny anao izany. Raha tahiny ka mino tahaka izany aho."

Ben: "Andao any amin'ny hantsana hiresaka. Tianao ve raha hiaraka aminao any an-tranonao aho?"

Kyle: "Hevitra tsara izany. Tena namana tsara ianao."

Ben: "Ary rehefa tapitra ny fialan-tsasatra, afaka miaraka manao enti-mody isika."

Tena nahafinaritra ny nataon'i Ben niaraka tamin'ny namany. Saingy mbola nitebiteby i Kyle. Nitranga anefa ny fahagagana: tsy tezitra taminy ny rainy rehefa nahafantatra fa nahazo naoty ratsy i Kyle. Niaiky ihany koa izy fa tsy nahazo naoty tsara foana tany am-tsekoly.

Mety mananosaratra izany rehefa manantena fahombiazana tonga lafatra ny ray aman-dreny.

Saingy izany dia tsy tokony hahatonga anao hiheritreritra fa tsinontsinona ianao.

Hafa tanteraka ny miaina izany miaraka amin'i Jesoa. Mandray anao amin'ny maha-ianao anao Izy sady manampy anao hahalala ny lanjanao na dia mety manao fahadisoana tahaka anao aza indraindray ny ray aman-dreninao.

Tia anao Izy miaraka amin'ireo herinao sy ny fahalemenao satria Izy no mahafantatra anao tanteraka. Izy no mahafantatra fa afaka manao zavatra maro ianao, fantany ireo zavatra sarotra aminao. Te hanampy anao Izy. Noho izany, mahereza hatrany ary matokia Azy. Mety hoe tsy ianao no hahazo avy hatrany ny naoty tsara indrindra ao amin'ny kilasinao rehefa mahalala an'i Jesoa, saingy afaka manampy anao Izy hanao ny tsara indrindra. Afaka manome anao ny fifehezana sy ny fifaliana Izy any an-tsekoly.

Mahereza hatrany ary matokia Azy. Mahavita manao mihoatra noho izay noheverinao ianao, miaraka amin'ny fanampian'i Jesoa!


Mpandray anjara: Mpitantara, Ben, Kyle

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 05:03 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)