STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 150 (Very brave 2)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

150. Tena be herimpo 2


Tena be herim-po izany! Tsy te hisotro ny fangaro nataon'ilay mpamosavy i Inam, hany ka nariany teo am-baravarankely izany.

Inam: "Matoky Anao aho, ry Jesoa Tompo ô, mitalaho aminao, mba sitrano aho."

Ary sitrana ilay tovovavy Indoneziana.

Rehefa sitrana i Inam dia nandeha avy hatrany nivavaka tao amin'ilay fiangonana kely tany anaty ala.

(feon'ny mozika)

Niaraka nihira tamin'ny ireo hafa tamim-pifaliana, ireo hira mahafinaritra momba an'i Jesoa izy.

Avy eo dia nambarany azy ireo fa nihaino ny vavaka nataony i Jesoa ka nanasitrana azy.

Vehivavy: "Ary araka ny hevitrao, iza no heverin'ny reninao nanasitrana anao?"

Inam: "Heveriny fa ilay mpamosavy izay nanome ahy zavatra hosotroina."

Vehivavy: "Holazainao azy ve ny marina?"

Nisaintsaina izany i Inam rehefa nody. Matetika izy no nokapohina satria nino an'i Jesoa.

Ny ampitson'iny, dia niditra tao an-dakozia izy ary nijery kely ny reniny teo am-panomanana zava-manitra.

Inam: "Neny a, tena heverinao ve fa ny zava-pisotro nomen'ilay mpamosavy no nanasitrana ahy? Tsy izany anefa fa nariako teo am-baravarankely ilay zava-pisotro, fa Jesoa no nanasitrana ahy."

Neny: "Marina ve izany? Tena voanao izany izahay."

Tsy dia tezitra loatra izy. Mifanohitra amin'izy aza satria efa ela ny ray aman-dreniny no gaga tamin'ilay Inam be herim-po, izay nanohy nino an'i Jesoa na dia teo aza ny daroka.

Nitraka nijery ny masoandro ny reniny.

Neny: "Fotoana izao Inam; Tonga ny fotoana handehanana any am-piangonana."

Nofihin'i Inam ny reniny nialohan'ny nandehanany.

Sambany izy no nandeha nivavaka ka nahazo alalana tamin'ny ray aman-dreniny. Rehefa afaka kelikely, dia nanapa-kevitra ny hiaraka aminy mihitsy aza izy ireo. Tena faly i Inam nipetraka teo anelanelan'ny rainy sy ny reniny ary nandre ny tantaran'i Jesoa niaraka tamin'izy ireo.

Nieritreritra lalina mahakasika ny zavatra reny tao amin'ilay fiangonana kely ny ray aman-dreniny. Tsikaritr'izy ireo ny tsy fitovian'ny fivavahany sy ny finoany an'i Jesoa, izay nanome hery ny zanany vavy hitoetra ho mahatoky, na dia teo aza ny daroka nahazo azy.

Indray andro dia nanapa-kevitra ny hanaraka an'i Jesoa ny ray aman-dreniny.

Ny fiainan'i Inam niaraka tamin'i Jesoa dia naharesy lahatra azy ireo fa nisy Izy, satria tsy nivadika tamin'Andriamanitra mihitsy i Inam, fony izy ireo nanao ratsy fanahy taminy, ary koa mbola nahatonga azy ho tia an'i Jesoa Tompo hatrany hatrany.


Mpandray anjara: Mpitantara, vehivavy, Inam, neny

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 11, 2025, at 08:52 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)