Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 091 (Who is the thief 3)
91. Iza no mpangalatra 3
Mijery tamim-pahalianana i Ringo sy Battou raha namatotra ny tariby avy amin'ny boaty mankany amin'ny fiara Jeep ilay vahiny fotsy hoditra.
Rehefa avy eo dia nisy rindrana fotsiny natsangana. Tena zava-baovao ho an'ny olona tao amin'ity tànana kely indiana ny zava-drehetra. Tsy mbola nahita horonantsary mihetsika tahaka izany izy ireo talohan'izany.
Sahib Grubb: "Tia ny tsirairay avy aminareo Andriamanitra. Nandefa ny Zanany lahitokana eto amin'izao tontolo izao Izy. Jesoa no anarany, Tonga olona tahaka antsika Izy, saingy tsy nisy ota. Mankahala ny fahotàna Andriamanitra ary fahafatesana no vokatry ny fahotàna. Jesao anefa nadray malalaka izany sazy izany ho an'ny tenany koa dia maty teo amin'ny hazo fijaliana teo amin'ny toerantsika Izy. Rehefa izay dia, nanangana Azy tamin'ny maty Andriamanitra. Minoa an'i Jesoa. Av yeo, voavonjy ianareo ka hanana toerana any an-danitra."
Tapitra ny horonan-tsary mihetsika. Nitendry hira iray tamin'ny orga kely i Pandou, ary ireo rehetra maniry hiresaka amin'i Sahib Grubb kosa nijanona teo amin'ny toerany avy.
Ringo: "Sahib, mandram-pahoviana no itoeranao miaraka aminay, mbola maniry handre zavatra betsaka kokoa momba Ilay Andriamanitrao aho."
Sahib Grubb: "Handeha any amin'ilay tànana manaraka izahay rahampitso. Kanefa mety mbola hihaona ihany isika amin'ny fotoana manaraka."
Ringo sy i Battou dia tokony hody any an-trano. Kanefa hitan'izy ireo tao anaty Jeep ilay zavamaneno... maty misy olona afaka mahita azy ireo ve?
Haingana tahaka ny tselatra, no nangalan'izy ireo ilay boaty talohan'ny nanjavonany tao anaty maizina niaraka tamin'ilay fitaovana. Nanapan-kevitra ny hanafina izany tao anatin'ilay trano fitehirizana taloha izy ireo.
Niteraka rarin-tsaina ho azy ireo iny alina iny. Tsy noho ny feon'ny fieritreretany meloka ihany, fa satria tokony hiambina ny saha amin'ny "Hyènes" izy ireo. Mamirapiratra ny volana.
Ringo: "Battou, misy zavatra mihetsika iry e. Tigra iray. Tena tigra mihitsy iny, hitako ny masony mamirapiratra."
Battou: "Nanonofy ve ianao?"
Ringo: "Tsia, Tena hitako mihitsy ilay izy."
Ny ampitson'io, nisy vaovao mahatsiravina niely tao an-tànana.
Lehilahy: "Tena tigra mihitsy iny. Ilay tigra mpihinana olona ireny."
Vehivavy: "Ahoana? Oviana? Aiza?"
Lehilahy: "Tao amin'ny tànana akaiky eto, nisy lehilahy iray notafihan'ny tigra."
Ringo: "Izahy ihany koa, hitanay ilay tigra."
Fikorontanana re izao! mandrampahatongan'ilay lehilahy mpihaza efa antitra izay nanome soson-kevitra tsara.
Mpihaza: "Ny zavatra mety atao indrindra dia mamono omby ka apetraka eo amin'ny rano anie alina. Isika kosa samy hiafina ao ambadik'ilay hazo lehibe miaraka amin'ireo fitaovam-piadana dia hijery eo. Hovoasinton'ilay ràn'ny omby ilay tigra ary rehefa tonga izy ka manomboka mihinana ilay omby, afaka mitifitra azy isika."
Lehilahy: "Ringo, maniry ny ho avy ve ianao? Mila anao izahay."
Nirehareha izy fa mba anisan'ny voafidy hihaza hiaraka amin'ireo. Saingy natahotra izy. Tena mampidi-doza izany mihaza tigra izany. Tena hahatsiravina raha toa ka...
Afaka mandeha mihaza ianao amin'ny tantara manaraka.
Mpandray anjara: Mpitantara, Sahib Grubb, Ringo, Battou, mpihaza, lehilahy, vehivavy
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina