STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 075 (Special binoculars)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

75. Kambana miraharavy miavaka


Fantatrao ve inona no atao hoe mpaminany?

Sara: "Andriamanitra mampiseho azy ny fikasany."

Asmus: "Afaka maminavina ny ho avy izy."

Azo azaina ihany koa fa ny mpaminany dia olona iray izay nandray masolavitra manokana avy tamin'Andriamanitra. Masolavitra izay ahafahany mahita ny ho avy sady ahitàny izay tsy hitan'ny olona hafa.

Zakaria ihany koa dia nahita ny ho avy sady nanoratra izay nasehon'Andriamanitra azy. Vakio ity andinin-tsoratra Masina ao anaty Baiboly ity:

Ankizivavy: "Manaova hikam-pifaliana ry zanakavavin'i Jerosalema! Indro ny mpanjakanareo efa tonga eo aminareo, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky vavy, dia boriky vavy omban-janany, zanaky ny mitondra zioga."

Izay efa novinavinain'Andriamanitra dia tena nitranga tokoa. Io tranga efa nambaran'i Zakaria io dia tanteraka ara-bakiteny 500 tao aty aoriana.

Teny amin'ny lalana mankany Jerosalema Jesoa. Tonga tao amin'ny tanana kely iray. Nalefany nialoha azy ny mpianany anankiroa.

Jesoa: "Mankanesa amin'itsy tanàna manoloana anareo itsy. Vantany vao migadona ao ianareo, dia hahita boriky vavy sy ny zanany: vahao ilay boriky vavy dia ento ety amiko omban-janany."

Mpianatra: "Afaka tonga dia alaina tsotra izao ve ilay izy?"

Jesoa: "Raha misy olona manontany anareo dia valio hoe misy ilàn'ny Tompo azy."

Mpianatra: "Raha izany no izy dia andao àry isika."

(feon'ny dian-tongotra amin'ny lalana misy vatokely)

Niditra tao amin'ny tanàna izy roa lahy ary nitranga daholo araka izay nolazain'i Jesoa. Nahita ny zanaboriky izy ireo dia namaha ny fatorany.

Tompon'ny zanaboriky: "Ee, Inona ity ataonareo roa lahy? Izaho no tompon'io zanaboriky io."

Mpianatra: "Misy ilàn'ny Tompo azy sady Izy no naniraka anay haka azy."

Tompon'ny zanaboriky: "Ny Tomponareo? Eny àry e, milamina izany. Alaivo àry."

(feon'ny dian-tongotra amin'ny lalana misy vatokely)

Nentin'ny mpianatra teo amin'i Jesoa ny zanaboriky. Samy nametraka ny lambany teo ambon'ilay biby izy ireo, ary Jesoa nitaingina teo amboniny. Rehefa niditra tao an-tanànan'i Jerosalema izy ireo, Noraisin'ny olona tam-pifaliana Jesoa. Ny ankabiazany namelatra ny lambany teny an-dàlana tahaka ny karipetra sady nanofahofa sampan-drofia ho mariky ny fandraisana Azy. Tamin'ny fifaliam-be no nankalazan'izy ireo an'i Jesoa.

Ny vahoaka: "Mifalia ry Jerosalema, indro ny mpanjakanao."

Ny vahoaka: "Hosana! Lehibe Ilay mpanjaka avy amin'Andriamanitra."

Ny vahoaka: "Hosana! Ampio izahay! Ianao no mpanjakanay."

Indrisy anefa, mitady mpanjaka manome azy ireo mofo sy hanafaka azy amin'ny fanjakazakan'ny Romana izy ireo. Tsy izany anefa no antony nahatongavan'i Jesoa.

Diso fanantenana, herinandro aty aoriana dia mihikiaka izy ireo hoe:

Ny vahoaka: "Tsy mila azy izahay. Alaivo Izy! Homboy Izy!"

Tsy tsapany fa Jesoa naniry ny hanome azy ireo mihoatra noho ny hanina.

Jesoa, Ilay mpanjaka dia naniry ny hanjaka teo amin'ny fiainan'izy ireo.

Ny tena mahagaga dia Izy maniry hanao izany eo amin'ny fiainantsika.


Mpandray anjara: Mpitantara, Sara, Asmus, ankizivavy, Jesoa, mpianatra, tompon'ny zanaboriky, ny vahoaka

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 11:13 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)