STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 059 (Tears on Christmas 1)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

59. Ranomaso tamin'ny andro noely 1


Tao amin'ilay sekoly kilasimandry kristiana, niomana handeha ny rehetra. Tsy andrin'i Turea ihany koa ny fialan-tsasatra amin'ny Krismasy. Nentin'ny rainy niaraka taminy izy. Tena lavitra ny lalana. Mieritreritra zavatra betsaka i Turea.

Turea: "Dada a! Heverinao ve fa mbola hahafantatra ahy ihany i Rachida? Manao ahoana i Hassan?"

Faly i Turea hahita indray ireo rahalahiny sy rahavaviny, ny sakany ary ny osy.

Rehefa tonga tao an-tanànany izy ireo dia afaka nahita ny jiro labozia mirehitra teo amin'ny varavarankely. Namirapiratra tamin'ny lafiny rehetra izy ireo. Ary ny ankizivavy izay nanovo rano avy amin'ny fantsakana dia nanao hoe:

Ankizivavy: "Salama Turea! Faly erỳ mahita anao tafaverina! Manao ahoana ianao? Hiresaka aminay momba ny sekolinao ve ianao?"

Turea: "Eny, fa rahampitso. Efa tara izao. Tongava mitsidika ahy."

Nahandro ny sakafo tian'i Turea indrindra ny reniny. Betsaka ny zavatra azo lazaina. Na dia efa ela aza no lasa i Turea, dia mbola toy ny mahazatra ny zava-drehetra. Saingy misy zavatra iray tena hafa mihitsy! Nanomboka nisaintsaina izy rehefa nandry teo amin'ny fandriany ka hatory.

Krismasy tamin'izay. Tsy nisy olona tao an-tanàna nankalaza izany. I Turea irery ihany no tia an'i Jesoa. Te-hankalaza izany izy, saingy tsy fantany hoe amin'ny fomba ahoana.

Turea: "Manana hevitra aho! Hifoha maraina be aho rahampitso ary hamaky ny Baiboliko."

Ary dia nataony izany. Nivoaka maningina avy tao an-trano izy ary niakatra ny havoana. Izy irery no tao ary namaky ny tantaran'i Maria sy Josefa ary Jesoa zaza.

Turea: "Tonga i Jesoa, nefa tsy nandray azy ny vahoakany. Ry Jesoa Tompo ô, tamin'izany andro izany, nihidy ny varavaran'i Betlehema, ary anio kosa ny fo no nihidy."

Rehefa feno folo taona i Turea dia nisafidy ny hanaraka dia an'i Jesoa izy, tamin'ny fametrahany ny fahatokiana Azy ho Mpamonjy sy Tompon'ny fiainany.

Hassan: "Turea, nitady anao aho. Inona no vakinao?"

Hahavita hitazona tsiambaratelo ve ny anandahiny raha hitantarany tantara iray ao amin'ny Baiboly? Mety hisy vokany mahatsiravina ho azy izany. Saingy nataony ihany izany. Manerana izao tontolo izao, maneno ny lakolosy amin'ny krismasy, fa miaraka amin'izay koa dia nisy zazalahy kely sambany vao nandre ny tantaran'i Jesoa.

Nanomboka tsara ny andron'ny Krismasy, saingy ny fiafaran'ny andro dia handatsa-dranomaso. Nahoana? Holazaiko aminao amin'ny tantara manaraka.


Mpandray anjara: Mpitantara, Turea, ankizivavy, Hassan

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 10:41 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)