STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 047 (Arsonist 6)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

47. Ny mpandoro 6


Indray Alahady hariva, nipetraka teo ivelany i TiFam nijery ny masoandro mody teny amin'ny tendrombohitra tao Haiti. Tena faly izy satria vao haingana izy no lasa zanak'Andriamanitra. Ny rainy Orestil ilay mpamosavy no tsy nahafahany namaky ny Baiboliny, satria norivitiny ilay izy. Na dia izany aza tsy afaka nanala an'i TiFam tamin'i Jesoa Tompo mihitsy izy, satria ao am-pony Izy. I TiFam dia tsy tezitra tamin'ny rainy, izay nipetraka teo an-tokotany sady namindro teo amin'ny afo. Na izany aza dia tia azy izy. Mba efa nahafatantatra ny vaovao farany ve izy?

TiFam: "Dada, tonga mitory isan'alahady eto an-tanànantsika i Victor."

Orestil: "Tsara kokoa raha tsy manao izany izy."

Nimonomonona i Orestil saingy tsy niaiky izy fa teo mihitsy izy tamin'io maraina io mba hitsikilo tao ambadiky ny fiangonana. Nieritreritra foana ny tenin'i Victor izy.

Victor: "Nanova ny fiainako i Jesoa, niaina tao anatin'ny tahotra ny fanahy aho ary nanompo azy ireo. Rehefa nandre momba ny fitiavan'Andriamanitra anefa aho, dia nino. Ankehitriny dia faly aho ary fantatro fa miaraka amiko foana i Jesoa, tsy ho irery intsony aho."

Niditra tao amin'ilay trano kely naoriny ho an'ny fanahy i Orestil.

Orestil: "Ry fanahy, asehoy ahy ny herinareo. Mandrotsaha afo eo amin'ny amin'io fiangonana io ary dory ilay izy. Mila manampy anao hanao izany ve aho?"

Tamin'ny misasakalina dia nanatona ny fiangonana i Orestil niaraka tamin'ny tapa-kazo mirehatra. Nihomehy izy ary te-handoro ny tafon'ny mololo.

Tampoka teo, nisy tanana iray nisintona ny sandriny ho ety aoriana. Nianjera ilay mpamosavy.

Orestil: "Ry Victor, avy aiza ianao?"

Victor: "Jesoa naniraka ahy hiresaka aminao, tia anao Izy."

Orestil: "Mbola tia ahy foana ve izy? Nanompo ny fanahy aho, nandainga aho, te-hamono anao aho, ary saika handoro ny fiangonana. Norovitiko ihany koa ny Baibolin'i TiFam. Mbola afaka ny ho tia ahy ve izy?"

Victor: "Tamin'ny tsirairay tamin'ny fahotanao no nahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana, hamela ny helokao Izy."

Orestil: "Miala tsiny amin'ny zavatra nataoko aho, maniry fiadanana aho ary te ho tonga zanak'Andriamanitra ankehitriny."

Tena matotra ilay mpamosavy. Nodorany avokoa ny zavatra masiny rehetra ary nanomboka fiainam-baovao izy. Ary izay rehetra nahita ny tavany namirapiratra dia nifaly. Fa ny tena nahafaly indrindra dia i TiFam.

Jesoa no mpandresy tany Haiti sy miaraka amintsika ihany koa. Mandray izay rehetra manatona azy Izy ka maniry ny ho tonga zanak'Andriamanitra.

"Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra." (Jaona 1. 12)

Izany no nolazain'ny Baiboly.


Mpandray anjara: Mpitantara, TiFam, Orestil, Victor

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 10:21 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)