STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 037 (Jumping with joy at 15.00 o'clock)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

37. Mitsambikim-pifaliana amin'ny 3 ora tolakandro


Lehilahy: "Tena azo lazaina tsotra izao fa tsy misy mahavita an'izao!"

Vehivavy: "Eny tokoa e! Jereo! Afaka mandeha izy."

Lehilahy: "Angamba manana olona mitovy aminy izy."

Vehivavy: "Azoko antoka tanteraka fa izy io. Nalemy tongotra nandritra ny 40 taona izy ary afaka mandeha an-tongotra ankehitriny."

Lehilahy: "Raha tsy hoe fahagagana... Tsy mbola nahita zavatra toy izany aho hatramin'izay!"

Vehivavy: "Jereo anie fa tena faly erỳ izy! Tena faly be hany ka mitsambikim-pifaliana."

Marina izany: nandeha izy, nitsambikina sy nidera an'Andriamanitra. Ny olona nijery azy ireo, izy sy i Petera.

Petera: "Nahoana ianareo no mijery anay ho toy ny hoe izahay no nanasitrana an'io lehilahy io? Jesoa no nanao izao! Ny finoana ny anarany no ahafahana manao fahagagana."

Nanomboka ity andro ity hafa rehetra ny andro. Rehefa tolaka ny andro ny andro, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Petera sy Jaona. Fanaon'izy ireo ny nivavaka isan'andro tao amin'ny tempoly amin'ny 3 ora tolakandro. Rahoviana ianao no mivavaka?

Teo amin'ny fidirana, dia voasakana izy ireo. Nisy mpangataka malemy tongotra anankiray naninjitra ny tànany tamin'izy ireo:

Ilay lehilahy malemy: "Andraso! Mamindrà fo amiko! Azafady mba omeo vola aho."

Nijery an'ilay mpangataka i Petera sy i Jaona. Ary hoy Petera taminy:

Petera: "Tsy manana volafotsy na volamena aho. Tsy mpanankarena aho. Fa izay ananako no omeko anao. Amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompo, mitsangàna ka mandehana."

Ary Petera nandray ny tànany ka nanampy azy hitsangana. Nitranga ilay fahagagana. Tao anatin'ny indray mipi-maso dia lasa natanjaka sy nahery ny tongony sy ny vanin – taolanan'ilay lehilahy. Nitsangana izy dia nandeha.

Tsy nino izany ilay lehilahy. Lasa salama tsara indray izy! Nandeha an-tongotra, nitsambikinana izy, ary nisaotra an'Andriamanitra. Feno fifaliana izy ka nidera an'Andriamanitra, ary izay rehetra nahita izany dia nanao tahaka azy.

Te hanao fahagagana eo amin'ny fiainanao i Jesoa; Matokia azy.


Mpandray anjara: Mpitantara, lehilahy, vehivavy, Petera, ilay lehilahy malemy

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 05, 2025, at 04:18 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)