STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 115 (The greatest Christmas present)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

115. Ilay fanomezana tsara indrindra tamin'ny Noely


Ankizivavy: "Tsy andriko intsony ny Krismasy. Tamin'ity taona ity aho dia nanao lisitry ny faniriana lava be!"

Ankizilahy: "Manantena aho mba ho tanteraka ny faniriako lehibe indrindra, iriko fatratra ny hanana finday vaovao."

Mbola mila miandry elaela kokoa ianao.

Ankizivavy: "Eny, indrisy..."

Soa ihany anefa fa tsy haharitra tahaka ny an'i Simeona.

Ankizilahy: "Iza izany resahinao izany?"

Toy izao no nambaran'ny Baiboly momba azy: tsy dia tanora loatra intsony izy, raha ny marina, dia efa antitra be. Nipetraka tany Jerosalema io lehilahy io ary tsy nivadika tamin'Andriamanitra nandritra ny androm-piainany. Tsy maintsy niandry 40 taona izy, angamba mihoatra noho izany aza, mandra-pahatanterahan'ny faniriany lehibe indrindra.

Ankizilahy: "Naharitra tahaka izany ve? Ary inona no tena faniriany lehibe indrindra?"

Ny faniriany dia mifandray amin'ny fampanantenana avy amin'Andriamanitra.

Andriamanitra: "Tsy ho faty ianao, ry Simeona, mandra-pahitanao ny Mpamonjy izao tontolo izao."

Na dia tsy maintsy niandry, niandry ela be aza i Simeona, dia tsy very fanantenana mihitsy izy. Fantany fa afaka miantehitra amin'Andriamanitra izy.

Indray andro dia niditra tao amin'ny tempoly izy. Ary tamin'io fotoana io dia tonga ihany koa i Maria sy Josefa ary Jesoa zazakely. Rehefa nahita ilay zazakely i Simeona, dia fantany tao anatin'ny indray mipi-maso hoe: io zaza io no ilay Mpamonjy nampanantenaina!

Nahita an'i Jesoa i Simeona. Injay fa tanteraka ny faniriany lehibe indrindra.

Mahasambatra azy kokoa manoatra izay mety fanomezana rehetra eran-tany izany!

Nitrotro an'ilay zaza tamim-pifaliana lehibe izy ary nivavaka.

Simeona: "Tompo ô, ankehitriny dia afaka ny ho faty amim-piadanana aho, fa efa nihazona ny teny fampanantenainao tamiko Ianao. Ny masoko efa nahita ny Mpamonjy izao tontolo izao."

Nisy olona nanoratra hira momba an'i Simeona:

(feon'ny mozika)

Nisy lehilahy antitra iray, lehilahy antitra atao hoe Simeona.
Tanteraka ny faniriany lehibe indrindra, satria nahita ny Zanak'Andriamanitra izy.
Avia, mankanesa atỳ amiko koa. Mpamonjy ô, manokatra varavarana ho anao aho.
Avia, mankanesa atỳ amiko koa. Mpamonjy ô, manokatra varavarana ho anao aho.

Tsy haiko raha ho tanteraka daholo ny fanirianao amin'ity Krismasy ity. Fantatro anefa fa raha mivavaka ianao, ary raha tianao ny hidiran'i Jesoa eo amin'ny fiainanao araka ny voalazan'ilay hira dia hamaly ny vavaka ataonao Jesoa.


Mpandray anjara: Mpitantara, ankizivavy, ankizilahy, Andriamanitra, Simeona

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 10, 2025, at 09:42 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)