STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 157 (Esther risks her life 2) This page in: -- Albanian -- Arabic? -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
157. Manao vy very ny ainy i Estera 2Tsy hoe lehilahy ratsy fanahy fotsiny i Hamana, fa tena nanambony tena be ihany koa. I Ahasoerosy ilay mpanjaka lehibe persianina no nanendry azy ho lehilahy faharoa natanjaka indrindra tao amin'ny fanjakana. Dia niankohoka teo anatrehany ny olona rehetra mba hanome voninahitra azy, afa-tsy i Mordekay, rafozan'i Estera, vadin'ny mpanjaka. Nitsangana hatrany izy. Feno fahatezerana i Hamana. Hamana: "Mandà ny hankatò amin’ny baiko ianao! Nahoana ianao no tsy mba miankohoka eto anatrehako?" Mordekay: "Satria Jiosy aho, ary Andriamanitra Irery ihany no hiankohofako." Hamana: "Mbola hanenina amin’izany ianao!" Nahatsapa ho notevatevaina mafy i Hamana, hany ka nikonokonona teti- dratsy tao am – pony izy. Hamana: "Hovonoiko izy. Ary tsy izy ihany, fa ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin'ny faritany roa amby roa-polo amby zato an'i Persia. Hofongorako izy ireo." Niteny ratsy mafy ny Jiosy tamin'ny mpanjaka i Hamana, rehefa avy nijery marimaritra iraisana sy paik‘ady ratsy dia nanomboka afaka nampiasainy ilay ny teti-dratsiny. Nanomboka tamin'izay fotoana izay dia afaka nanao izay tiany izy. Nandefa iraka tamin'ny soavaliny haingam-pandeha i Hamana; nitondra taratasy voaisy tombo-kase ho an'ny tanàna tsirairay izy ireo. Nambara hatraiza hatraiza tao amin'ny fanjakana ny baikony mahatsiravina. Iraka: "Araka ny baikon'ny mpanjaka. Ary tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo dia hovonoina avokoa ny Jiosy rehetra, na lahy na vavy, na ankizy. Aza avela hisy olona ho velona! Vonoy ny olona rehetra, ary alao ny fananany rehetra!" Niteraka tahotra sy horohoro be izany didy izany. Nitafy akanjo fisaonana ny Jiosy. Nitomany sy nitaraina tamin'Andriamanitra izy ireo. Nandefa antso maika tany amin'ny lapa i Mordekay. Olona iray ihany no afaka nanampy, dia ny vinantovaviny, ny mpanjakavavy Estera. Mordekay: "Ry Estera, mankanesa any amin'ny mpanjaka ianao! Mandehana mitalaho eo anatrehany mba ho velona isika." Estera: "Tsy afaka manao izany aho. Tsy misy manana alalana miditra ao an-tranon'ny mpanjaka, raha tsy izy no nampiantso. Raha mandeha any ihany aho, dia mety ho faty." Mordekay: "Aza mangina! Angamba izany no mahatonga anao ho mpanjakavavy ankehitriny: mba hamonjy antsika." Estera: "Mivavaha ho ahy. Dia hiditra ao an-tranon'ny mpanjaka. Raha tsy maintsy ho faty aho, dia ho faty." Tahaka an’i Estera dia nanao vivery ny ainy ihany koa i Jesoa. Vonona ny ho faty Izy mba hahafahantsika ho voavonjy sy hahazo ny fiainana mandrakizay. Nitafy ny akanjony tsara indrindra i Estera. Tamin'ny fo mitempo mafy no nanatonany ny efitranon'ny seza fiandrianana. Hitan'ny mpanjaka ny fahatongavany. Hanaiky izany ve izy sa... Hotantaraiko aminareo ny tantara manaraka. Mpandray anjara: Mpitantara, Hamana, Mordekay, Estera, iraka © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |