STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 158 (Reward for M. 3) This page in: -- Albanian -- Arabic -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
158. Nandray valisoa i Mordekay 3Tena be herim-po i Estera mpanjakavavy. Tsy nahazo fanasana izy, fa dia niditra avy hatrany tao an-tranon'ny mpanjakan'i Persia. Nanao vivery ny ainy izy tamin'izany. Nataony anefa izany satria te hamonjy ny vahoakany izy, dia ny Jiosy. Nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany i Ahasoerosy mpanjaka. Nahita an'i Estera tonga izy. Natolony taminy ny tehim-bolamenany, izay midika fa horaisina tsara izy. Mpanjaka: "Estera mpanjakavavy, nahoana no tonga ianao? Inona no fanirianao?" Estera: "Ry mpanjaka ô, raha sitrakao, andeha hiara-misakafo amin'i Hamana anio." Mpanjaka: "Mpanompo, ento Hamana, ny mpanjakavavy efa nanasa antsika hisakafo." Nandamina fanasana ho azy ireo i Estera. Mpanjaka: "Inona no angatahinao, ry Estera mpanjakavavy, na dia ny antsasaky ny fanjakako aza no tadiavinao, dia homena anao izany." Estera: "Raha sitrakao, mba miverena miaraka amin'i Hamana mba hisakafo rahampitso, dia holazaiko aminao ny faniriako." Nody tany an-tranony falifaly èry sady nirehareha i Hamana, ilay mpanao teti-dratsy. Hamana: "Izaho no manamboninahitra ambony indrindra, nasain'ny mpanjakavavy hiara-mihinana amin'ny mpanjaka aho, izaho ihany! Rahampitso, mbola nasainy indray aho. Fa misy zavatra iray manahirana ahy indrindra: i Mordekay dia mbola tsy niankohoka eo anatrehako." Vehivavy: "Aza avela amin'izao izany! Hatòny iny jiosy iny!" Tsy fantatr'i Estera fa i Hamana dia nanangana hazo ho an'ny rafozany. Mirefy mihoatra ny 25 metatra ny haavony. Fantatr'Andriamanitra anefa izany. Izy no manjaka! Izany no nahatonga an'i Ahasoerosy Mpanjaka tsy nahita tory. Mpanjaka: "Mpanompo, tsy mahita tory aho, ento ny diariko, vakio mafy ny zava-nitranga vao haingana teto." Nilaza ilay diary fa nisoroka ny fikasana hamono ny mpanjaka i Mordekay. Mpanjaka: "Inona no valisoa azon'i Mordekay noho izany?" Mpanompo: "Tsy misy na inona na inona." Ny ampitso dia nankany an-dapa i Hamana. Naniry hahazo alalana tamin'ny mpanjaka izy mba hanantonana an'i Mordekay. Mpanjaka: "Hamana, hataontsika ahoana ny valisoa omena izay olona tiantsika homem-boninahitra?" Nihevitra mihitsy i Hamana fa ho azy io valisoa omen'ny mpanjaka io. Hamana: "Hitafy akanjo izy sy ny satro-boninahitry ny mpanjaka, ary mitaingina ny iray amin'ny soavalin'ny mpanjaka. Rehefa avy eo dia ho entiny eny an-dalamben'ny tanàna izy miaraka amin'ny mpanompon'ny mpanjaka izay hiantsoantso hoe: Ity ilay olona taian'ny mpanjaka omena voninahitra." Mpanjaka: "Hamana, ataovy amin'i Mordekay izany!" Nivadika fotsy i Hamana. Amin'ny manaraka dia handre ny fiafaran'io tantara ao amin'ny Baiboly io ianao. Mpandray anjara: Mpitantara, mpanjaka, Estera, Hamana, vehivavy, mpanompo © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |