Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 132 (Fish and questions at breakfast)
132. Ireo trondro sy ireo fanontaniana tamin'ny sakafo maraina
Haingana be ny fisehoan-javatra. Raha nisy fanaovana gazety tamin'izany fotoana izany, dia tamin'ny taona 33 aorian'i Jesoa Kristy.
Mpamaky lehilahy: "Haizina tanteraka tamin'ny andro nahafatesan'i Jesoa."
Mpamaky vehivavy: "Lehilahy nitsangana tamin'ny maty no niditra ao an-tanàna."
Mpamaky lehilahy: "Namaky ny vatolampy ny horohoron-tany."
Mpamaky vehivavy: "Niaiky ilay kapiteny fa Zanak'Andriamanitra i Jesoa."
Mpamaky lehilahy: "Ireo teny farany nataon'i Jesoa: Vita!"
Mpamaky vehivavy: "Ary, lohahevitra lehibe amin'ny pejy voalohany: Foana ny fasana!"
Tamin'ny gazety "Jerusalem times" ve izany? Tsia. Ireo no fitantaran'ny vavolombelona nanatri-maso tao amin'ny Baiboly, ka manoro hevitra mafy anao aho mba vakio izany.
Foana ny fasana. Velona Jesoa! Taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty, dia nankany amin'ny mpianany Izy. Mbola nisaona sy natahotra izy ireo. Faly indrindra anefa izy ireo rehefa nahita an'i Jesoa.
Rehefa afaka izany, dia niala tao Jerosalema i Petera sy ny mpianatra hafa ka nankany amin'ny tanàna nihaviany, mankany amin'ny Ranomasin'i Galilia.
Petera: "Handeha hanjono aho."
Jaona: "Hiaraka aminao izahay."
Nony hariva ny andro, dia nivoaka sy niondrana an-tsambokely izy ireo ka nitety ny ranomasina. Tsy nahazo trondro anefa izy ireo tamin'iny alina iny. Vao maraina be, dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesoa. Tsy nahafantra anefa ny mpianatra hoe Izy io.
Jesoa: "Manana hohanina ve ianareo?"
Jaona: "Tsia."
Jesoa: "Alatsaho eo ankavanan'ny sambokely ny harato." (feon'ny rano mipitipitika)
Petera: "Feno ny harato!"
Jaona: "Jesoa io, ny Tompo io!"
Zato metatra monja avy eo amin'ny morontsiraka, dia nahazo trondro 153 tsara be izy ireo.
Jesoa: "Avia misakafo maraina!"
Mofo sy trondro natono no efa vonona teo ambony afo. Izany no fanintelony nisehoan'i Jesoa tamin'ireto namany hatramin'ny nitsanganany tamin'ny maty. Nanana fieritreretana ratsy i Petera. Nieritreritra ilay nandàvany an'i Jesoa intelo izy. Taorian'ny sakafo dia niresaka manokana tamin'i Petera i Jesoa.
Jesoa: "Petera, moa ahy va ianao?"
Petera: "Eny, Tompo ô, fantatrao fa tia Anao aho."
Jesoa: "Petera, moa tia ahy va ianao?"
Petera: "Eny, Tompo ô, fantatrao fa tia Anao aho."
Jesoa: "Petera, moa tia ahy va ianao?"
Nanjary nalahelo i Petera satria nanontany azy intelo i Jesoa.
Petera: "Tompo ô, fantatrao ny zavatra rehetra fa tia Anao aho."
Izany ve no ho valin-teninao amin'ny fanontanian'i Jesoa ho anao androany? Namela heloka an'i Petera i Jesoa. Izay voavela heloka imbetsaka dia tia an'i Jesoa tokoa!
Mpandray anjara: Mpitantara, mpamaky lehilahy, mpamaky vehivavy, Petera, Jaona, Jesoa
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina