STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 099 (Safari quiz)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

99. Fifaninana Safari


Handeha safari izahay, te hiaraka aminay ve ianao?

Ankizilahy: "Handeha hitsangatsangana hamakivaky ny fotoana amin'ny alalan'ny Baiboly ary hitady biby malaza izahay."

Ankizivavy: "Ny sasany amin'izy ireo dia tena mahavariana!"

Fantatrao angamba ny sasany amin'izy ireny. Raha tianao, dia afaka manoratra amiko ianao ary azonao lazaina amiko ny anaran'ireo biby ireo.

Mitondra anay ho any Ejipta aloha ny dianay. Niredareda teny an-danitra ny masoandro. Andevo tany Ejipta ny Israelita nandritra ny 400 taona. Nitaraina tamin'Andriamanitra izy ireo mba hamonjy azy. Efa ren'Andriamanitra ny fitarainan'izy ireo, nefa tsy navelan'i Farao handeha izy ireo. Ho famaizana, dia nandefa biby tany Ejipta Andriamanitra. Nandrakotra ny tany ireo zavaboary kely ireo ary niditra tao an-trano sy fandriana mihitsy aza! Inona avy ireo biby ireo?

Tonga teo akaikin'ny renirano iray izahay rehefa avy nanao dia kilometatra maro. Elia, ilay irak'Andriamanitra, dia nipetraka teo nandritra ny ora maro. Nitondra sakafo maraina sy sakafo hariva ho azy ny vorona. Karazana vorona inona no nitondra azy io sakafo io?

Oh he! Mieritreritra an'i Balama fotsiny aho. Niaina lavitra an'Andriamanitra io lehilahy io. Nitokona ny biby izay nitaingenany ary niresaka taminy tamin'ny feon'olona! Inona io biby io?

Fantatrao tokoa ny tendrombohitra Ararata. Teo amin'io tendrombohitra io no nijanonan'ny sambo fiaran'i Noa taorian'ny safo-drano lehibe. Vorona inona no nitondra sampana maitso teo am-bavany ho an'i Noa, ho famantarana ny vaovao tsara fa nihena ny rano teto an-tany?

Mitohy any Babylona ny safarinay. Voafonja tao i Daniela.

Ankizivavy: "Ohatra tsara izy. Mivavaka intelo isan'andro izy."

Ary noho izany, dia ho lasa sakafon'ny biby izy. Inona avy ireo biby masiaka izay nakombon'Andriamanitra ny vavany mba tsy hihinanan'izy ireo an'i Daniela?

Fantatrao ve hoe biby inona ao amin'ny Baiboly no lazaina ho fetsy? Ny bibilava. Nampiasain‘ny devoly izany mba haka fanahy ny olona voalohany tsy hankatò an'Andriamanitra.

Ankizilahy: "Raha tsy nisy izany, dia ho akaiky an'Andriamanitra ny olona rehetra."

Fa raha tokony izany kosa, isika tsirairay avy dia araka ny natiora, tafasaraka amin'Andriamanitra. Noho izany antony izany, Jesosy dia nampitaha antsika tamin'ny biby tsy manana tari-dalana sy mora mania. Inona moa no karazan'ireo biby ireo? Jesosy no mpiandry ondry tsara. Miantso ny olona amin'ny anarany izy satria tiany.

Efa nahita biby efatra farafahakeliny ve ianao? Tiako ho fantatra ny valinteninao!

(Valiny: sahona, goaika, boriky, voromailala, liona, ondry)


Mpandray anjara: Mpitantara, ankizilahy, ankizivavy

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 05:27 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)