Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 032 (Does God answer every prayer)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

32. Mamaly vavaka ny tsirairay ve Jesoa


Manana loko tena tianao indrindra ve ianao? Ny loko tian'i Amy indrindra dia ny manga. Tiany ny lanitra manga, ny ranomasina manga, fa ny manga tena tiany indrindra dia ilay loko manga amin'ny mason'ny reniny. Indrisy anefa fa volontsôkôlà ny masoko, hoy i Amy tao an-tsainy.

Amy: "Neny o; mihaino ny vavaka rehetra ataoko ve Andriamanitra?"

Ny reniny: "Eny, ry malalako, mihaino ny vavaka rehetra Andriamanitra."

Amy: "Na dia ny vavaka ataon'ny ankizy aza ve?"

Ny reniny: "Mazava ho azy, Amy. Fotoana handehana matory amin'izay izao. Soava alina! Matoria tsara."

Amy: "Soava mandry neny!"

Vantany vao maty ny jiro dia nivavaka teo am-pandriana i Amy:

Amy: "Andriamanitra ô, afaka manao ny zava-drehetra ianao. Miangavy anao mba hanova ny lokon'ny masoko volontsôkôlà ho manga. Amen."

Henon'Andriamanitra ny vavaka nataon'i Amy, ary natoky an'izany izy. Avy eo dia resin-tory izy.

Ny ampitso maraina, raha vao nifoha i Amy dia nieritreritra ny vavaka nataony. Nitsambikina avy teo am-pandriana izy, nihazakazaka nankeny amin'ny fitaratra, dia nahita maso volontsôkôlà roa lehibe nijery azy.

Tamin'ny alahelo no niheveran'i Amy fa tsy nihaino ny vavaka nataony Andriamanitra. Rehefa izany, toa ohatran'ny nisy olona miteny aminy: "Ny TSIA dia anisan'ny valiny ihany koa."

Taona maro no nandalo. Rehefa lehibe i Amy dia lasa misionera tany India. Nianatra ilay fiteny tany izy, nihinana izay nohanin'izy ireo, niakanjo tahaka ny fomba fiakanjon'izy ireo, ary mba tsy ho toy ny vahiny loatra, dia tsy maintsy nandoko ny hodiny ho volontany izy.

Indray andro, nisy namana iray niresaka taminy.

Namana: "Amy, tena tsara mihitsy hoe volontsôkôlà ny masonao fa tsy manga, raha tsy izany dia ho hitan'ny rehetra fa vahiny ianao."

Ny maso miloko volontsôkôlà? Nieritreritra ny vavaka nataony tamin'ny fahazazany i Amy. Ny "tsia" dia valim-bavaka ihany koa. Valiny tsara avy amin'Andriamanitra.

Indraindray Andriamanitra dia manome antsika izay ilaintsika.

Indraindray dia mamela antsika hiandry.

Indraindray izy miteny hoe tsia.

Na inona na inona valiny (eny, tsia, na miandry), dia mampiseho antsika ny fitiavany Izy. Izay valiny avy Aminy dia ny tsara indrindra ho antsika.

Ataony tsara ny zava-drehetra, eny ho anao ihany koa.


Mpandray anjara: Mpitantara, Amy (toy ny zazavavy kely), ny renin'i Amy, ny namany

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 05, 2025, at 04:13 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)