Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
Spotify Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 004 (Prayers can cause miracles)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

4. Mety manao zava-mahagaga ny vavaka


Feno vovoka ny arabe, mibaliaka ny masoandro teny amin'ny lanitra. Nipetraka teo amoron-dalana indray ilay mpangataka. Isaky ny mandre dian-tongotra izy dia manolo-tanana mangataka.

Bartimeo: "Ampio aho! Mba omeo vola kely aho, azafady!"

Nisy olona sasany niantra an'i Bartimeo, ny hafa kosa tsy niraharaha azy.

Indray andro, voambara fa teny an-dalana daholo ny olona rehetra tao Jeriko.

Bartimeo: "Fa inona no mitranga?"

Lehilahy iray: "Jesoa, Zanak'Andriamanitra, no mandalo amin'izao fotoana izao: Ilay tia ny olona rehetra, manasitrana ny marary, ary mahay manangana ny maty aza."

Feno fanantenana i Bartimeo jamba. Naheno ny antsoantsony ve i Jesoa?

Tamin'ny fony manontolo no niantsoany ilay olona tsy hitany.

Bartimeo: "Jesoa ô, tsy hanampy ahy ve ianao? Mamindrà fo amiko!"

Ary ny sasany tamin'izay nandre Azy dia tezitra ka nibedy ilay jamba.

Lehilahy iray: "Mangina ianao, mialà teto ianao fa raha tsy izany..."

Nahoana anefa no tsy azo atao ny miantso an'i Jesosy e?

Tsy nihaino ny vahoaka i Bartimeo; Fa vao maika izy niantso mafy kokoa!

Bartimeo: "Jesoa ô, ampio aho!"

Mihaino ny olon-drehetra i Jesoa. Mihaino ny vavaka ataonao ihany koa izy.

Hoy ny Baiboly hoe nijanona i Jesoa ary nandidy hoe:

Jesoa: "Ento atỳ amiko ilay jamba."

Bartimeo nitsangana teo anatrehan'ny Zanak'Andriamanitra. Tsy nahita izy, saingy nahatsapa ho tony sy tsy nanana ahiahy teo anatrehan'izany. Nihaino ny feon'i Jesoa izy.

Jesoa: "Ry Bartimeo, inona no tadiavinao amiko? Inona no tianao hataoko aminao?"

Tsy nila nieritreritra ela i Bartimeo. Ny tena nilainy dia ny vavaka nataony:

Bartimeo: "Tompo ô, te hahita indray aho."

Ary rehefa ren'i Jesosy ny faniriany, dia hoy Izy:

Jesoa: "Ahirato ny masonao! Satria mino Ahy ianao, dia hositraniko."

Tamin'izay fotoana izay dia afaka nahita tanteraka i Bartimeo. Ary ny masony nahita Ilay nandre ny vavaka nataony sy namaly ny fitarainany.

Nisaotra an'i Jesoa tamim-pifaliana izy, ary nanomboka tamin'izay dia nanaraka an'i Jesoa tamin'ny fony manontolo.

Ao amin'ny Baiboly, Andriamanitra dia milaza aminao hoe:

"Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana; hanafaka anao Aho, ary hanome voninahitra Ahy ianao."


Mpandray anjara: Mpitantara, Bartimeo, lehilahy, Jesoa

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 24, 2025, at 05:58 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)