STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 166 (Must Terry die 4) This page in: -- Albanian -- Arabic? -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
166. Tokony ho faty ve i Terry 4Philippe: "Ruth, mihevitra ve ianao hoe ho faty i Terry?" Ruth: "Tsia. Nivavaka aho mba hanasitrana azy i Jesoa." Philippe: "Izaho koa dia nanao izany, nefa tsy fantatro raha nihaino ahy i Jesoa." Ruth: "Raha anisan'ny ondrin'Ilay Mpiandry Tsara ianao, dia mihaino anao mandrakariva Izy." Philippe: "Ahoana no atao amin'izany?" Ruth: "Lazao Aminy fa te ho Azy ianao." Nasehon'i Ruth tamin'ny anadahiny ny sarin'ilay Mpiandry ondry tsara nomen'ny pasitera azy. Nobanjinin'i Philippe nandritra ny fotoana maharitra ilay izy. Philippe: "Eny, te-hanao aho, azafady avelao irery aho." Tsy ela taorian'izay, hita tamin'ny tarehiny miramirana fa efa an'i Jesoa izy izao. Ary ny taratasy avy amin'i Terry dia nampifaly azy mianadahy: "Ry Philippe malala, ry Ruth malala, tsy any amin'ny hopitaly intsony aho. Raha sitrakareo, tongava mitsidika ahy. Mipetraka ao amin'ny trano bongo vita amin'ny hazo eo amoron-drano aho, any anaty ala. I Terry-nareo." Trano bongo vita amin'ny hazo eo amoron'ny renirano? Mipetraka tao amin'ity trano bongo efa simba be ity ve ny naman'izy ireo? Nandondona moramora ny varavarana i Philippe. (Feno mandondòna eo am-baravarana) Neny: "Inona no tadiavinareo?" Ruth: "I Terry no nanasa anay." Neny: "Ianareo ve ireo ankizy niaraka tamin'i Terry tamin'ny nahavoa azy? Mandrosoa." Tsy nihetsika teo am-pandriany i Terry. Tena mahia sy hatsatra izy. Nitomany izy rehefa nahita ny namany roa. Tsy fantatr'i Philippe sy i Ruth izay horesahina. Toa mampalahelo sy manempotra ny efitranony. Nijaly mafy i Terry. Dite iray kaopy sy tapa-mofo kely no natao sakafo atoandrony. Tsy nieritreritra mihitsy i Philippe sy i Ruth hoe mahantra be tahaka izao i Terry. Rehefa tonga tao an-trano, dia notantarain'izy ireo tamin'ny nenitoany Margaret ny zava-drehetra ary nanapa-kevitra ny hamangy an'i Terry isan'andro izy ireo. Philippe: "Ho entiko ho azy ny rakin-kira misy ny sarin'ny ala." Ruth: "Izaho kosa hitondra paoma iray kitapo ho azy, miaraka amin'ny Baiboly sy ny tantaran'ny Mpiandry ondry tsara." Philippe: "Homentsika ny reniny ny 4 € avy amin'ny boatin-drakitra mba hividianany ronono ho an'i Terry." Ruth: "Tsy ampy ve ny 2 €?" Philippe: "Hoentintsika miaraka amintsika izany rehetra izany, ary hanapa-kevitra isika rehefa eny an-dalana." Ary izany indrindra no nataon'izy ireo. Fantatrao ve hoe iza no nifanena tamin'izy ireo teny an-dalana teo afovoan'ny ala? Ho hitanao ao amin'ny tantara manaraka izany. Mpandray anjara: Mpitantara, Philippe, Ruth, neny © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |