Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
Spotify Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 166 (Must Terry die 4)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

166. Tokony ho faty ve i Terry 4


Philippe: "Ruth, mihevitra ve ianao hoe ho faty i Terry?"

Ruth: "Tsia. Nivavaka aho mba hanasitrana azy i Jesoa."

Philippe: "Izaho koa dia nanao izany, nefa tsy fantatro raha nihaino ahy i Jesoa."

Ruth: "Raha anisan'ny ondrin'Ilay Mpiandry Tsara ianao, dia mihaino anao mandrakariva Izy."

Philippe: "Ahoana no atao amin'izany?"

Ruth: "Lazao Aminy fa te ho Azy ianao."

Nasehon'i Ruth tamin'ny anadahiny ny sarin'ilay Mpiandry ondry tsara nomen'ny pasitera azy.

Nobanjinin'i Philippe nandritra ny fotoana maharitra ilay izy.

Philippe: "Eny, te-hanao aho, azafady avelao irery aho."

Tsy ela taorian'izay, hita tamin'ny tarehiny miramirana fa efa an'i Jesoa izy izao. Ary ny taratasy avy amin'i Terry dia nampifaly azy mianadahy:

"Ry Philippe malala, ry Ruth malala, tsy any amin'ny hopitaly intsony aho. Raha sitrakareo, tongava mitsidika ahy. Mipetraka ao amin'ny trano bongo vita amin'ny hazo eo amoron-drano aho, any anaty ala. I Terry-nareo."

Trano bongo vita amin'ny hazo eo amoron'ny renirano? Mipetraka tao amin'ity trano bongo efa simba be ity ve ny naman'izy ireo?

Nandondona moramora ny varavarana i Philippe. (Feno mandondòna eo am-baravarana)

Neny: "Inona no tadiavinareo?"

Ruth: "I Terry no nanasa anay."

Neny: "Ianareo ve ireo ankizy niaraka tamin'i Terry tamin'ny nahavoa azy? Mandrosoa."

Tsy nihetsika teo am-pandriany i Terry. Tena mahia sy hatsatra izy. Nitomany izy rehefa nahita ny namany roa. Tsy fantatr'i Philippe sy i Ruth izay horesahina.

Toa mampalahelo sy manempotra ny efitranony.

Nijaly mafy i Terry. Dite iray kaopy sy tapa-mofo kely no natao sakafo atoandrony. Tsy nieritreritra mihitsy i Philippe sy i Ruth hoe mahantra be tahaka izao i Terry.

Rehefa tonga tao an-trano, dia notantarain'izy ireo tamin'ny nenitoany Margaret ny zava-drehetra ary nanapa-kevitra ny hamangy an'i Terry isan'andro izy ireo.

Philippe: "Ho entiko ho azy ny rakin-kira misy ny sarin'ny ala."

Ruth: "Izaho kosa hitondra paoma iray kitapo ho azy, miaraka amin'ny Baiboly sy ny tantaran'ny Mpiandry ondry tsara."

Philippe: "Homentsika ny reniny ny 4 € avy amin'ny boatin-drakitra mba hividianany ronono ho an'i Terry."

Ruth: "Tsy ampy ve ny 2 €?"

Philippe: "Hoentintsika miaraka amintsika izany rehetra izany, ary hanapa-kevitra isika rehefa eny an-dalana."

Ary izany indrindra no nataon'izy ireo.

Fantatrao ve hoe iza no nifanena tamin'izy ireo teny an-dalana teo afovoan'ny ala?

Ho hitanao ao amin'ny tantara manaraka izany.


Mpandray anjara: Mpitantara, Philippe, Ruth, neny

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 11, 2025, at 09:34 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)