Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 141 (Up at 5.00 o'clock 2)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

141. Fifohazana amin'ny 5 ora 2


(maneno ny fanairana)

Tamin'ny 5 ora maraina no maneno ny fanairana. Nitsangana i Hudson Taylor.

Zazalahy: "Aloha loatra e! Fa misy maninona?"

Naniry hanana fotoana betsaka izy mba hahafahany mamaky ny Baiboliny tsy misy fanelingelenana. Tamin'io andro io izy dia nanana ny lesona voalohany tamin'ny fiofanany, satria te ho misionera izy.

Nanomboka nanao fanatanjahantena ihany koa izy mba hahatonga ny vatany ho tsara kokoa.

Tokony ho 150 taona lasa izay no nitrangan'izany. Tia ny Tompo Jesoa i Hudson Taylor ary tena naniry fatratra ny ho misiônera tany Chine.

(Feno mandondòna eo am-baravarana)

H.T.: "Manao ahoana, pasitera. Afaka mampindrana ahy boky momba an'i Chine ve ianao?"

Pasitera: "Nahoana no boky momba an‘ny Chine?"

H.T.: "Tian'i Jesoa ho misionera any aho."

Pasitera: "Amin'ny fomba ahoana no handehananao any Chine?"

H.T.: "Tsy fantaro mihitsy aloha. Matoky an'i Jesoa Tompo aho. Izy no hitarika ahy."

Ny matoky an'i Jesoa Tompo no zava-dehibe indrindra. Afaka mianatra manao izany isika. I Hudson Taylor dia nanapa-kevitra ny hanao fifanarahana tamin'i Jesoa.

H.T.: "Jesoa Tompo ô, na inona na inona ilaiko dia tsy tiako ny hiresaka izany afatsy Aminao Irery ihany."

Tsy nanankarena i Hudson. Indray mandeha izy dia tsy nanana afa-tsy antsasaky ny satroboninahitra tao am-paosiny, izay manodidina ny 2,50 €. Faly anefa izy fa afaka nitsidika ny olona mahantra.

Lehilahy: "Atoa Taylor, andeha mivavahà ho an'ny vadiko fa marary mafy izy."

Nanaraka an'ilay lehilahy tao amin'ny efitrano kely maloto izay i Hudson. Rehefa nahita ny zaza noana sy ny vehivavy efa ho faty izy, dia nivavaka ho azy ireo ka nanome azy ny farantsany farany teny aminy. Avy eo dia nilaza tamin'i Jesoa Tompo ihany izy fa tsy nanana hanina ho an'ny sakafo antoandro. Nanaja ny fitokisany i Jesoa. Tonga tamin'ny taratasy ilay fahagagana: vola mitovy tombany amin'ny 10 € avy amin'ny olona tsy fantatra anarana! Ary fotoana fohy taorianizay dia reny fa sitrana ilay vehivavy narary.

Niasa tao amin'ny Dr. Hardey i Hudson. Dokotera mahay izy, nefa lehilahy be fanadinoana.

Dr. Hardey: "Atoa Taylor, efa nomeko anao ve ny karamanao?"

H.T.: "Tsia."

Dr. Hardey: "Miala tsiny aho fa efa voasoniako sy nalefako tany amin'ny banky avokoa ny vola miditra rehetra. Tokony nampahatsiahy ahy ianao."

Mety ho nifanohitra tamin'ny fanekena nataony anefa satria tsy hilaza izay ilainy afatsy amin'i Jesoa ihany izy. Ahoana anefa amin'izao no handoavany ny hofan-tranony? Fotoana fohy taorian'izay, dia niverina tany amin'ny biraon'i Hudson indray i Dr. Hardey.

Dr. Hardey: "Ity ny karamanao. Nisy marary iray tonga ary dia naniry ny handoa ny faktiorany avy hatrany."

Toy izany no nikarakaran'i Jesoa an'i Hudson. Miahy izay rehetra matoky azy Izy.

Nianatra momba ny fitsaboana tany Londres i Hudson tatỳ aoriana. Tao amin'ny hopitaly oniversite, nisy zavatra nahatsiravina nitranga taminy. Hohenonao ny tohiny amin'ny tantara manaraka.


Mpandray anjara: Mpitantara, Hudson Taylor (H.T.), pasitera, Dr. Hardey, zazalahy, lehilahy

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 11, 2025, at 08:20 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)