STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 034 (The most important question) This page in: -- Albanian -- Arabic -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
34. Ilay fanontaniana lehibe indrindraTsy nahateny na inona na inona ny mpianatra, fa dia nijoro teo an-tendrombohitra niandrandra ny lanitra. Fotoana fohy talohan'izay dia niresaka tamin'izy ireo i Jesoa, tampoka teo dia nakarina tany an-danitra tao anaty rahona Izy ka nanjavona tsy hitan'izy ireo. Gaga izy ireo nahita lehilahy roa nanao akanjo fotsy nijoro teo anoloan'izy ireo. Anjely: "Nahoana no mijanona eto mibanjina ny lanitra ianareo? Iny Jesoa iny dia mbola hiverina indray tahaka ny fomba izay nahitanareo Azy nandeha." Hiverina i Jesoa! Tsy izay tokoa ve ilay fampanantenana lehibe nataony rehefa lasa izy? Ankizivavy: "Marina ve fa mbola hiverina i Jesoa?" Eny. Hoy izy ao amin'ny Baiboly: "Hanomana toerana ho anareo aho, ary hiverina haka anareo atỳ amiko, ka any amin' izay misy ahy no hisy anareo ihany koa." Ankizilahy: "Rahoviana izy no hiverina?" Rehefa nametraka taminy io fanontaniana io ny mpianatra, dia izao no navaliny: Jesoa: "Tsy zava-dehibe aminareo ny mahafantatra izany fotoana izany. Ny tena zava-dehibe ho anareo dia ny tsy manadino ahy. Minoa ahy ianareo ary Andraso Aho. Andriamanitra Ray irery ihany no mahalala ny fotoana izay hiverenako." Nilaza tamintsika ihany anefa i Jesoa fa afaka hamantatra ny fotoana hiverenany isika. Nilaza izy fa mialohan'ny hiverenany, dia hisy ady sy horohoron-tany ary zavatra maro hafa koa izay voasoratra ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Rehefa mitranga izany rehetra izany dia efa akaiky ny fiverenany. Ankizivavy: "Manao ahoana no fomba hiverenany?" Ankizilahy: "Eo amin'ny rahona matevina moa, sa tsy izany?" Tena nihaino tsara ianao. Hiverina tampoka Izy. Tsy misy filazana amin'ny gazety, na hafatra an-tsoratra manambara izany. Fa ho hitan'ny olona rehetra Izy. Ireo izay nanadino azy sy niaina tsy nisy Azy, na ireo izay milaza fa tsy misy an'izany Jesoa izany, dia ho raiki-tahotra mafy. Ireo izay tia Azy ka miandry Azy no sambatra indrindra ka hiara-mandeha Aminy any an-danitra. Miandany Aminy ve aho? Minadany Aminy ve ianao? Izany fanontaniana izany no tena lehibe indrindra. Tian'Andriamanitra ny olona tsirairay hanapa-kevitra ho an'ny tenany ka afaka handeha any an-danitra satria tia antsika Izy. Ny finoana an'i Jesoa Tompo no antoka fa miandany Aminy isika. Hiverina i Jesoa! Ary mino aho fa tsy haharitra ela intsony izany... Mpandray anjara: Mpitantara, anjely, ankizivavy, ankizilahy, Jesoa © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |