STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 088 (The big contest question)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

88. Ilay fanontaniana lehibe indrindra tao anaty fifaninanana


Inty misy fifaninana kely, miaraka amin'ny fanontaniana tsotra: iza no hendry indrindra?

Ankizivavy: "Mety ho Etienne, lilay ankizy tian'ny mpampianatra indrindra."

Ankizilahy: "Izao mihevitra fa ny atidohan'i Dirk dia miasa tahaka ny solon-tsaina."

Ankizivavy: "Oh izy, imihevitra zy fa maranin-tsaina, fa raha tsy izany?"

Afaka mieritreritra olona hafa ve ianao?

Ankizilahy: "Ilay mpampianatra any amin'ny oniversite."

Ankizivavy: "Na hoe olona iray izay tena maranin-tsaina be ka nahita zavatra!"

Ankizilahy: "Ohatra, Einstein na Pythagore."

Tsy mbola nisy valiny ihany ny fanontaniako.

Fantatrao ve hoe iza no ilay olona hendry indrindra?

Mihainoa izay lazain'ny Baiboly mahakasika izany.

Iza no hendry eo imason'i Jesoa? Mitandrema tsara fa mety hanana fahafahana ho lasa olona tena Hendry ianao.

Jesoa: "Na zovy na zovy mandre ny teniko ka mankato izany dia hoharina amin'ny olona hendry. Hohariana amin'ny lehilahy iray izay nanorina ny tranony eo ambony vatolampy izy. Midika izany fa nanambotra tsara ny fototra izy na dia tsy hita aza izany raha tsy efa aty aoriana. Niorina teo ambony vatolampy ny tranony. Rehefa tonga ny rivo-mahery ka nahatondratanka ny tany, ny rivotra nifofofofo ary nisy ranonorana be nilatsaka, tsy nihontsona ny tranony. Tsy nianjera izany satria tsara fototra.
Fa izay rehetra mandre ny teniko ka tsy mankato izany, dia hoharina amin'ny olona adala. Hoharina amin'ny lehilahy iray izay nanorina ny tranony teo amin'ny fasika izy. Rehefa tonga ny rivotra mahery ka nifofofofo mafy ny rivotra, nirodana ilay trano ary mafy ny fianjerany."

Niaky volona ny olona rehetra izay nandre izay nambaran'i Jesoa. Tsy ny anarana manokana na famantarana manokana, na fomba fiteny mambabo no singa hamantarana olona iray hendry. Ahoana àry, inona izany?

Misy fomba iray izay ahafahanao mahafantatra raha toa ka hendry ny olona iray na tsia.

Raha manana Baiboly ianao, dia afaka mamaky ny Matio toko 7, andininy faha -24. Io andalana io dia manome anao ny valiny amin'io fifaninanana io amin'ny teny roa. Iza no hendry?

Afaka mifandray amiko ianao amin'ny valin-teninao. Handray anjara ve ianao?

Ary avy eo dia afaka manontany tena ianao raha toa isan'ny iray amin'ireo lazain'i Jesoa ho hendry.


Mpandray anjara: Mpitantara, ankizilahy, ankizivavy, Jesoa

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 05:04 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)