Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
Spotify Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 158 (Reward for M. 3)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

158. Nandray valisoa i Mordekay 3


Tena be herim-po i Estera mpanjakavavy. Tsy nahazo fanasana izy, fa dia niditra avy hatrany tao an-tranon'ny mpanjakan'i Persia. Nanao vivery ny ainy izy tamin'izany. Nataony anefa izany satria te hamonjy ny vahoakany izy, dia ny Jiosy.

Nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany i Ahasoerosy mpanjaka. Nahita an'i Estera tonga izy. Natolony taminy ny tehim-bolamenany, izay midika fa horaisina tsara izy.

Mpanjaka: "Estera mpanjakavavy, nahoana no tonga ianao? Inona no fanirianao?"

Estera: "Ry mpanjaka ô, raha sitrakao, andeha hiara-misakafo amin'i Hamana anio."

Mpanjaka: "Mpanompo, ento Hamana, ny mpanjakavavy efa nanasa antsika hisakafo."

Nandamina fanasana ho azy ireo i Estera.

Mpanjaka: "Inona no angatahinao, ry Estera mpanjakavavy, na dia ny antsasaky ny fanjakako aza no tadiavinao, dia homena anao izany."

Estera: "Raha sitrakao, mba miverena miaraka amin'i Hamana mba hisakafo rahampitso, dia holazaiko aminao ny faniriako."

Nody tany an-tranony falifaly èry sady nirehareha i Hamana, ilay mpanao teti-dratsy.

Hamana: "Izaho no manamboninahitra ambony indrindra, nasain'ny mpanjakavavy hiara-mihinana amin'ny mpanjaka aho, izaho ihany! Rahampitso, mbola nasainy indray aho. Fa misy zavatra iray manahirana ahy indrindra: i Mordekay dia mbola tsy niankohoka eo anatrehako."

Vehivavy: "Aza avela amin'izao izany! Hatòny iny jiosy iny!"

Tsy fantatr'i Estera fa i Hamana dia nanangana hazo ho an'ny dadatoany. Mirefy mihoatra ny 25 metatra ny haavony. Fantatr'Andriamanitra anefa izany. Izy no manjaka! Izany no nahatonga an'i Ahasoerosy Mpanjaka tsy nahita tory.

Mpanjaka: "Mpanompo, tsy mahita tory aho, ento ny diariko, vakio mafy ny zava-nitranga vao haingana teto."

Nilaza ilay diary fa nisoroka ny fikasana hamono ny mpanjaka i Mordekay.

Mpanjaka: "Inona no valisoa azon'i Mordekay noho izany?"

Mpanompo: "Tsy misy na inona na inona."

Ny ampitso dia nankany an-dapa i Hamana. Naniry hahazo alalana tamin'ny mpanjaka izy mba hanantonana an'i Mordekay.

Mpanjaka: "Hamana, hataontsika ahoana ny valisoa omena izay olona tiantsika homem-boninahitra?"

Nihevitra mihitsy i Hamana fa ho azy io valisoa omen'ny mpanjaka io.

Hamana: "Hitafy akanjo izy sy ny satro-boninahitry ny mpanjaka, ary mitaingina ny iray amin'ny soavalin'ny mpanjaka. Rehefa avy eo dia ho entiny eny an-dalamben'ny tanàna izy miaraka amin'ny mpanompon'ny mpanjaka izay hiantsoantso hoe: Ity ilay olona taian'ny mpanjaka omena voninahitra."

Mpanjaka: "Hamana, ataovy amin'i Mordekay izany!"

Nivadika fotsy i Hamana.

Amin'ny manaraka dia handre ny fiafaran'io tantara ao amin'ny Baiboly io ianao.


Mpandray anjara: Mpitantara, mpanjaka, Estera, Hamana, vehivavy, mpanompo

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on December 29, 2025, at 10:38 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)