Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 077 (The tomb is empty)
77. Foana ny fasana
Nampidinin'ny mpianatra Jesoa Tompo avy teo amin'ny hazo fijaliana ny fatin'ny Tompo ary napetrany tao anaty fasana vaovao voasikotra tamin'ny vatolampy.
Dia nanakodia vato lehibe iray teo amin'ny vavahadin'ny fasana izy ireo
(mozika lafika ho an'ny daholobe)
Ankizivavy: Nandeha teo amin'ny hazo fijaliana Jesoa, Nosazian'Andriamanitra Izy.
Satria isika no mpanota, Izy no maty.
Ho ahy sy ho anao no nahafatesany.
Feno alahelo mafy, niara-nipetraka tao amin'ny trano iray ny mpianatra ary nahatsiaro. Tsy nisy olona afaka nahalala mihitsy nahoana no tsy maintsy maty Jesoa. Tohina manokana i Petera. Tena nalahelo mafy izy rehefa niteny intelo hoe tsy nahafantatra Azy. Tsy afaka namela ny tenany izy hoe naninona no kanosa toy izany. Efa maty izao Jesoa, tara loatra. Sa tsia…
(mozika lafika ho an'ny daholobe)
Ankizilahy: Maty teo amin'ny hazo fijaliana Jesoa, Nandatsaka ny rany ho antsika.
Rehefa mitondra ny fahotantsika eo Aminy isika, mamela heloka antsika Izy.
Mamela heloka ny tsirairay Izy, dia izaho sy ny ianao.
Nisokatra tampoka teo ilay varavarana.
Maria: "Velona Izy! Velona Jesoa! Tsy ao amin'ny fasana intsony Izy!"
Ilay Maria hafa: "Nisy anjely iray nilaza taminay izany vaovao lehibe izany. Petera, nilaza mazava Izy fa tsy maintsy milaza aminao izahay hoe: Velona Jesoa."
Petera: "Tokony hilaza amiko ianao fa velona Izy?"
Tsy nahatanty intsony i Petera. Niaraka nihazakazaka haingana faran'izay tratrany izy niaraka tamin'i Jaona ho any amin'ny fasana. Nojeren'izy ireo ny tao anatiny. Tsy tao intsony ny fatin'i Jesoa. Nahita izy ireo sady nino fa nintsangana tamin'ny maty Jesoa ary tonga velona indray. Avy hatrany dia nihazakazaka niverina izy ireo hilaza tamin'ny hafa.
(mozika lafika ho an'ny daholobe)
Ankizilahy sy ankizivavy: Nalevina tao am-pasana Jesoa, saingy tsy nijanona ho faty izy.
Nitsanagana Izy ny andron'ny Paska, Haleloia.
Ho ahy sy ho anao, Alléluia!
Ho ahy sy ho anao. Ho an'ny mpianatra sy i Petera, ho an'izay rehetra mihevitra ny tenany ho tsinontsinona sy ho an'ireo izay mahatsiaro nanao ratsy maro isan-karazany. Jesoa maty ho antsika sady nitsangana indray.
Mpandray anjara: Mpitantara, Maria, Ilay Maria hafa, Petera, ankizilahy, ankizivavy
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina