Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 098 (Punishments and promises 2)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

98. Famaizana sy teny fampanantenana 2


Vehivavy: "Rahoviana ary vao hitsahatra ny orana?"

Lehilahy: "Tsy marina ihany ve ilay nolazain' i Noa?"

(Feon'ny totohondriny mandondona eo sambofiara)

Ny olona rehetra: "Ampio izahay! Noa ô, vohay ny varavarana, avelao hiditra izahay!"

Efa tara loatra. Andriamanitra mihitsy no nanidy ny varavarana. Tsy nihaino ny olona, ary indro fa tsy maintsy miaritra ny vokatr'izany izy ireo ankehitriny. Izany foana no iafaran'ireo izay manohitra an'Andriamanitra.

Niakatra ny rano ary niakatra avo dia avo. Izany rehetra izany dia tanteraka araka ny nolazain'Andriamanitra, 40 andro sy 40 alina ny orana, orana, ary orana!

Tao anatin'ny fahakiviana ny olona no nihanika ny teny an-tampon-trano sy ny tendrombohitra. Na dia ny toerana avo indrindra aza dia lasa 5 metatra ambanin'ny rano. Maty tao anatin'ny safo-drano avokoa izay rehetra manan'aina.

I Noa sy ireo niaraka taminy tao anatin'ny sambofiara ihany no voavonjy.

Tena naharitra heritaona mihitsy vao nihena ny rano.

Noa: "Manontany tena aho raha toa ka efa maina ny tany. Handefa goaika aho."

Toy izany koa no nataon'i Noa tamin'ny voromailala. Tiany ho fantatra raha hahita toerana any ivelany ahafahany mipetraka ireo vorona. Saingy tsy nahita toerana maina na dia iray aza izy ireo ary niverina nanidina tany amin'ny sambofiara. Herinandro iray no lasa.

Noa: "Handefa voromailala iray indray aho hanidina Avelako hanidina."

(Feon'ny varavarankely misokatra, feon'ny elatry ny vorona)

Ramatoa Noa: "Jereo! Mitondra sampana maitso ao am-bavany izy!"

Noa: "Tsy ho fotoana haharitra intsony dia ho afaka mivoaka ny sambofiara isika."

Rehefa navelan'i Noa nanidina fanintelony ilay voromailala, dia tsy niverina intsony.

Rehefa afaka herintaona, dia ritra ny rano rehetra, ary maina indray ny tany.

Ary hoy Andriamanitra: "Ry Noa, mivoaha avy ao amin'ny sambo-fiara ianao sy ny fianakavianao, ary aoka ny vorona sy ny biby rehetra hiala amin'ny sambofiara ihany koa. Maroa fara sy mamenoa ny tany."

Ary izay rehetra voavonjy dia nivoaka avy tao amin'ny sambofiara ho any amin'ny tany maina.

Inona no mety ho zavatra nataonao voalohany raha ianao no Noa?

Nanorina alitara ho an'Andriamanitra i Noa ary nanao sorona. Izany no fomba nisaorany an'Andriamanitra noho ny famonjeny. Izy io dia tandindona nisy dikany lehibe tamin'ny andron'i Noa. Midika izany fa nanolotra ny ainy ho an'Andriamanitra izy. Ary sitrak'Andriamanitra izany.

Hoy Andriamanitra: "Tsy handrava ny tany amin'ny safo-drano intsony Aho, fa raha mbola maharitra koa ny tany, dia hisy fahavaratra sy ririnina, andro sy alina, ka hanao fanekena aminareo Aho. Ho famantaran'izany fanekena izany ny avana."

Nipoitra teny amin'ny lanitra ny avana voalohany, kanto tokoa ny lokony! Ary na dia amin'izao andro izao aza, dia mampahatsiahy antsika izany fa mahatoky Andriamanitra. Mitana ny teniny Izy. Afaka matoky azy 100% ianao. Tsarovy Izy amin'ny manaraka rehefa mahita avana ianao.


Mpandray anjara: Mpitantara, lehilahy, vehivavy, Noa, Ramatoa Noah, Feon'Andriamanitra

© Zon'ny mpamorona: CEF Germany

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 05:24 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)